You are here: home > Vetso

Ny itiavako anao - Ny Kanto

Ity tononkalo ity dia nosoratan'i Ny Eja sy Ny Kanto miaraka. Isaorako manokana eto i Ny Eja....

Ny itiavako anao
Tsy hoe gadram-pitia
Fa tanjoko tao anaty tao
Ny hifatotra hiraiki-pitia
Hanorina ho doria

Tsy rendrarendra te hiseho
Fa fitia lalina miorim-paka
Na toky mety mankaleo
Sahy misedra izay te haka

Ny itiavako anao
Tsy ny lasa na ny ho anio ihany
Fa ny voady izay atao
Mety hatrany ankoatra any

Ny Eja, Ny Kanto

Hametraka hevitra

Midira aloha