Ny tia (Ny Kanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Atolotro ho an'ilay natsoiko koa hoe Rianala...

Ny Tia

Raha mbola misy antso
Manaitra ahy amin’ny alina
Dia hovaiko ho hira kanto
Raha avy aminao Rahavana

Fa mameno ny efitry ny saiko
Sy manangolingoly ny aiko
Ireo tamberim-pahatsiarovana:
Ziogam-po mahatorovana

Koa raha toa isika hihaoana
‘Zaho hiandry topi-maso
Dia hiarahaba manahoana
Sy hitsiky ts’isy andraso

Fa ny fitia mahery vaika
Mahay mikiry tsy miala
Mampihanjaka, tsy laitra
Sasa-miandry anao malala

Koa raha mbola misy antso
Hanaitra ahy amin’ny alina...
Dia hovaiko ho hira kanto
Fa avy aminao Rahavana

Ny Kanto. ULM ENS. Parisy martsa 2005.
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA
1471 2
Hevitra mandeha
NyKanto ( 25/03/2005 13:01)
Dia mifalia fa nifanojo indray ny tia sy ny tiana!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Kanto
Nampiditra : NyKanto
Daty : 25/03/2005 12:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0111