eny ry zandriko tsy foiko (Nyfandeferako)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
raha ny masaka ato an-tsaiko ry zandriko tsy foiko
dia ny hijanonanao ho zaza, mba ho trotroiko
saingy mandeha ny fotoana, tsy hita akory ianao dia lehibe
eny , sanatria mety hanaonao foana,indrindra izay ts voafehy

lehibe ianao izao, ka handaho anay sy neny
ny aza adino anefa dia izao, tadidio izay hafatr'i neny
hanambady ianao hoy izy rahatr',izay
kanefa aza adino ny makaty aminay

tsy adino na ovina ilay fifamaliana kelintsika iny
indrindra rehefa hanao raharaha, mifoha maraina hirifiry
tsy very an-tsaiko ilay mifanilika raha bedy
hanan-janaka ianao ka aza sarotiny amin'ireny.

tiavo ny vady, hajao ny rafozana
karakarao ny zanaka, ka hatreo izay rehetra lalovana
na ny mangidy izany na ny mamy
mino aho fa ianao dia ho vonona amin'ny rehetra hatrany.

ny olana aza atao ho mahatonga olana
fa ny olana avadio ho vahaolana
ny fifamaliana avadio fitsikitsikiana
tsaroako foana ianao ilay tezitra dia mody mangina
--------
Rohy:
183 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nyfandeferako
Nampiditra : Nyfandeferako
Daty : 14/09/2023 20:40
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145