Malemy aho (Nyfandeferako)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsapako ho nalemy aho hatramin’izao
Eny , nalemy teo imasonao
Eny na inona na inona natao
Dia mbola malemy aho hatramin’izao

Raha tsapanao aho nalemy
Dia indro ianao nanararaotra azy ireny
Na tamin’ny feo izany , eny, na tamin’ny teny
Izany , tsy mba nosaininao velively

kanefa raha malemy aho
Tsy midika fa ho araraotianao
Fa nataoko ho fampisehoana hatramin’izao
fa mandefitra aho amin’izay atao

Ny maha-izaho ahy dia ny fandeferena
Tsy haiko ny anao , saingy tsy azoko ferana
Kanefa aoka tsy hiezaka ho tompon-toerana
Amin’ny hafa izay mety mifanerana

Hajao ny manodidina rehetra
Hajao amin’ny fomba maro tsy misy fetra
Hajao ny maha-izy azy rehetra
Na ny fombany izany na ny toetra
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
336 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nyfandeferako
Nampiditra : Nyfandeferako
Daty : 18/04/2023 15:47
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113