Ny skoto (Nyfandeferako)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny skoto hono zatra mitsiky
Na ratsy hono na soso-nify
Ny skoto hono zatra mifaly
Na hisy jaly na hisy tomany

Mihira, mandihy ,feno antra
Manao asa arak'izay tratra
Ny asa soa manginy fotsiny
Fa izay rano any an-dasy toa efa fisotrony

Manoro,manintsy ,fitaratra
Dihy tongotra andrefana-avaratra
Mazoto mizara sy manome
Tsisy tambiny fa maimaimpona e!

Mitory ny Tompo, fitaratry ny hafa
Ireo no adidy amin'ny Tompo sy ny hafa
Ny adidy amin'ny tena tsy latsaka ambany
Fa fanekena amin'ny lanitra aman-tany

Mahafinaritra ery izy manao fanamiana
Mahafinaritra sy tena mahaliana
Skoto mazoto,vonon-kiasa
Izany hono no ao an-tsainy fa asa

Ny sedra no fanamafiany tena
Izy! Skoto nanao fanekena
Ho olom-banona feno faniriana
Raha vadinao skoto! Aza mb Ariana

Avelao izy hivory sy hilasy hatrany
Fa izay no hiraka ataony eto an-tany
Ampio izy amin'ny tokony atao
Fa ianao mila anazy ,izy koa mila anao

Satriny foana ho anilanao
Nefa ny adidiny koa tsy maintsy atao
Mamy ny atsy fa fihy koa ny aroa
Ny vatany anefa tsy voazara roa

Ka midira skoto raha te ohatran'azy
Tsy mahalala marary ,tsy mahalala mijaly
Na ora-mikija na hain'andro be
Dia vonona hiatrika foana e!!!
--------
Rohy:
Sokajy : Skoto
325 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nyfandeferako
Nampiditra : Nyfandeferako
Daty : 18/04/2023 15:09
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135