ny Rediredinay tanora (Nyfandeferako)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
eh! izany fiainana mpifamaofao
azakazaka avokoa izay rehetra atao
vao mihiratra ny maso dia dia lera no enjehina
tsy hay intsony na hoe izaho no be erehana

izany no atao dia ny hahatratrarana hatrany
izany redireko tsapako ho mamy
ny fahatanorana hono manko mandalo
ka na inona atao dia toa raima sy valo

maro ny zavatra mifamafao ao an-tsaina
vady sa sipa sa izay hahavelona ny aina
mila miketraka dieny izao
ka nefa koa te hihaina amin'ny maha tanora aho

izay rehetra ao antsaina dia rediredy avokoa
asa ny ny fahaiza-mandamina ve no tsy vitako aloha
tiako ny atsy , tsy foiko ny aroa
izay redirediko tiako ho tanteraka avokoa

indrisy mantsy fa izany no fanao
rehefa tong amin'ny fahatanorana aho
ilay fotoana toa malasasala
te hilalao kanety nefa sao lazain'ny olona ho adala

hany hery dia manao izay maharesy lahatra
na laharam-pahamehana io na tsy voalahatra
koa raha tsy mitandrina aho tanora
dia ny ho aviok rehetra ho ho goragora
--------
Rohy:
Sokajy : Fananarana
43 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nyfandeferako
Nampiditra : Nyfandeferako
Daty : 23/04/2024 11:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0681