Ny safidy (Nyfandeferako)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny safidy ve ?
Amiko; tena mangidy
Ny safidy ???
Ilay saina tsy azo amidy.

Ny safidy no mampirisika hanapa-kevitra
Ny safidy , tsy ilàna toro hevitra
Alohan'izay, alaivo ambony alaivo ambany
Fa ny safidy dia tsy maintsy misy Raha mbola an-tany

Raha androso na hihemotra
Dia tadidio fa hisy zavatra hirefotra
Na io soa na io ratsy
Izany hoe : ny safidy mety hahafaty .

Ny safidy mety hahavery
Raha Kristiana anefa ainao dia tsy andeha irery
Fa ankino aminy na hanao ahoana
Fa ianao ve? Olona miavaka eny foana.
--------
Rohy:
408 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0354