fitia malok' ila (oracle)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy maso tsy hitanao
mibanjina anao tsy ankiato
Misy fo tsy tsapanao
mitempo ho anao tsy miato
Misy dia tongotra tsy renao
manara dia anao n' aiza n' aiza
misy feo tsy renao
miantso anao hoe sakaiza
Misy saingy tsy fantatrao
ny fisiany mistery aminao avokoa
satia nafeniny anao tokoa
sao lavinao ny ao am-pony ao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1555 2
Mpakafy: Soarilala - oracle
Hevitra mandeha
Soarilala ( 12/05/2010 10:51)
Mahafinaritra angamba izany hoe misy olona mieritreritra anao any nefa tsy fantatrao akory.
Maninona kosa moa no tonga dia hilazanao fa hoe ho laviny kanefa tsy haborakao aminy akory izay ao am-ponao!!!!!!
oracle ( 18/05/2010 13:21)
Io anie fantatra foana @ fihetsika ny any am- pon' ny olona , ka rehefa hita fa tsy miraiky mintsy izy ,hita @ fihetsiny fa tsy liana amiko izy ,de mbola holazaiko azy kosa ary ve ny ato am-poko ?

Tsy ho aborako

Nahavaka ahy ilay tafasirintsika
tena tsinapa ilay hatsiaka
mangoly ny fonao anaty
tsisy fitia mitanika toy ny ahy

marina fa tsy ahiko ny mampiresaka
saingy ny risim-ponao mamaly
tovanan' ireo fihetsika
dia ampy hilazana fa ianao tsy tia ahy

tsy fantatro na efa hitanao miharihary
ilay koboniko ato anaty
na efa nandingana maripana tsy tanty
tsy ho aboraka aminao na hankarary

ho tazomiko ho ahy irey
satria ny fitia tsy an-tery
ho arafitro ato am-po mangina
ny fitiavako anao ry tina

atao ahoana eh!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : oracle
Nampiditra : oracle
Daty : 19/02/2010 07:49
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148