ny fitiavanao ihany (oracle)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NA hikomy amiko aza ny masoandro
eny, amela ahy hitakaizina
ka tsy ho diaviko intsony izany tontolo andro
lavitra ahy ny fanahiana
ho inoko moa ny tarany
manaloana ny masonao mitopy
dorehitra hazavana tsy mitsilopy
ireo masonao no tena satriko
dia ireo masonao mijery
tsy mamela ahy irey

Na hiofo aza ny tontolo
eny, ho lasa bobongolo
tsy hisy intsony izany kalom-boronkely
na voahary mandravaka eny ho eny
toa tsy hampitsangam-bolo ahy akory
tsy izany no hampiroroha saina, hampahory
satria ny voahary kanto
dia tany aminao izy no nandranto
ny endrikao no nataony tsisy very
nentiny nanefy ireny rehetra ireny

N' inon' inona hiraraka
tsy hisy ahavaka
satria ny fitiavanao ihany
no antoky ny fiainako eto an-tany
raha io no misy rimbina
dia ny aiko no tohina
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Fitiavana
1395 0
Hevitra mandeha
Soarilala ( 10/04/2011 20:38)
Na inona manjo na inona mitranga, dia tsy hisy haharava ilay tena fitiavana !!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : oracle
Nampiditra : oracle
Daty : 18/05/2010 13:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136