ilay masoandroko (oracle)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay masoandroko baliaka
kanto sy sariaka
tsy nahaleo ny rahona mitatao
ka orana no nitraho
dia ora-mijojo
mamefy anay tsu hifanojo
nanakotsa ny aty foko
tonga nitoloko
nefa nosanatriaviko ny hikoro
izao no finoako nampijoro
aorian' ny ora-mikija
no misy masoandro baliaka indrindra
kinanjo aho gina
nahatsinjo ty lanitra sina
tsy teo intsony ilay nantenaiko
fa aiza ianao ry aiko?
orana niserana
namela takaitra tsy hay noferana
tsy misy tsy narodany izay nolalovany
nanamparany ny fahalovany
izaho ty ketraka mimalo
tapitra iangaviko ireo voro-mandalo
hikalo aminy ny vetso-poko tsontsan' ny fitiavana
maniry handoa-danitra hampitsiry ilay havana
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1438 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : oracle
Nampiditra : oracle
Daty : 12/05/2010 07:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0223