Ireo tsikinao (oracle)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
f' ireo tsikinao,nataoko ho niloaka avy ao am-po
nataoko ho solon-tana miantso hoe avia hiara droa
f' ireo tsikinao, mahavalalanina ny loha
mampandroatra ny hatrany anaty fo

hay ireo tsikinao, tsiky tsotra ihany
f'izaho no adala nandefa vinany
hay ireo tsikinao, tsy nilaro n'inon'inona
f'izaho no efa nentanim-pitia hamorona

nefa ireo tsikinao, tsy mety foiko hatramin'izao
ireo tsikinao, nofisiko matory
ireo tsikinao, banjiniko amin'ny andro maha ory
satria ireo tsikinao efa tsara rafitra ao anatiko ao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1248 0
Hevitra mandeha
Soarilala ( 14/06/2011 14:33)
Dia tsy hainao ve ny fonosin'ireo tsiky atolony no mbola ataonao fa tsy avy ao am-pony !!! Hum!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : oracle
Nampiditra : oracle
Daty : 19/02/2010 14:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138