satria tia (oracle)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
eto an-joron-dalana
ny masoko no mitsipalotra
miandrandra topy maso iray
avy amin'ilay nambabo fo

eto an-joron-dalana
no mitsatoka ty fo fadiranovana
ny maso no apitrapitra
maneho ilay fitia tsy mety ritra

Notomoriko izy omaly
tsy nanatrika ahy izy raha namaly
hoe tsy afaka hitafa ela intsony
fa efa any ilay hiraketan' ny fony

Manga teny an-tsofiko
zany lantom-peony malefaka
na dia nifono teny nametaka
nandraingiraingy ny fo, nitofezaka

Nefa aho anio mbola eto an-joron-dalana
manantena ny topimasony
indrindra moa raha laroiny tsiky
dia hihafana kely ty rofy mikiky
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1279 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : oracle
Nampiditra : oracle
Daty : 30/04/2010 10:18
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0666