Lisy maina (oracle)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lisy maina
Lisy mariry
tsy tomombana faniry
mifaka eo an-tany karakaina


lavitr'azy izany angoty
indrindra moa fa hoe mpioty
lisy maina maniry samirey
tsy taho,tsy ravina ka voahilika tery

ny manodidina rehetra
nandevilevy avokoa
tsy nisy iray mba nitsetra
ka hoe hanolo tanana hanarin-doha

efa ho lanytahiry ny angovo
efa andalan'ny ho tapaka ny taho
tsy mahita hoe aiza no hanovo
hany hery manandratra talaho

Ray oh! mba jerenao ty manjo
f'efa adin-tsaina tsy zakan'ny loha
tovano singa avy aminao
mba hamelana ao aoriana ao
--------
Rohy:
Sokajy : adin-tsaina
1447 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : oracle
Nampiditra : oracle
Daty : 19/02/2010 14:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138