Hafa ianao ka hafa (Pharaon)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hafa ianao ka hafa
rehefa isika miara-mitafa
miangoty ianao raha miteny
nambabo ny foko izy ireny

Hafa ianao raha mibika
ampian'ilay endrikao sariaka
manintona ny maso mba hijery
izato hakantonao tsy miery

Hafa ianao raha mamindra
f'ianao no lafatra indrindra
mampifoha ny foko izay matory
mampisinda ny adin-tsaiko sy ny sorisory

Hafa ianao raha manoroka
fa tena fitiavana no natolotra
ravoravo ery ny fanahy
niala hatreo ny ahiahy
--------
Rohy:
153 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pharaon
Nampiditra : voady
Daty : 02/08/2024 13:18
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0657