Ilaina ianao (Pharaon)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maro be ireo zavatra efa vitantsika teny
tsy vitsy koa ny mbola hatrehantsika eny
dia ianao no ilaina hijoro, ho toky hantenaina
ho hery velona henti-mihetsika ampiasaina

Na ho tojo ny mora na ho sendra ny sarotra
ilaina avy hatrany ianao ho eo hanavotra
ho namana tsy handao mandrakariva fa hiaraha-miaina
ho andry anteherana, hikarakara sy hanolo-tsaina

Na handrakotra ny halahelo na hiserana ny hafaliana
ilaina ianao fa havana, voasokajy ho olon-tiana
hamaha sy hanamaivana ireo olana maro
hampifaly ahy izay koa no mba saino sy fantaro

N'inona n'inona izay hiseho sy hitranga
ilaina hatrany hatrany ianao fa olo-manga
hanala fahanginana, hanome endrika ny ao an-tanana
hikalo, hizara zava-kanto maro mahatamana
--------
Rohy:
281 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pharaon
Nampiditra : voady
Daty : 02/12/2024 07:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0157