Tojo anao (Randja)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nitotototo tetsy sy eroa, nivezivezy teny ho eny nitady anao nandritra ny fotoana naharitra
tojo anao fitiavana aho vao sahy niteny
izay tato am-poko sy izay rehetra tsy haritra
Tojo anao aho indray andro tamin'iny lalana iny
resy lahatra f'efa babon'ilay toetranao mamiko loatra
manana anao ho masoandro, fanilo mpanazava tsy misy tsiny
faly sy ravo ny ao am-po, mirana ny saina dia misaotra
Tojo anao aho dia mitony sy mangina
foana ny alahelo sy nitsahatra irony ranomaso
very dia fa feno fitia, fa ny eo anilanao no mahasondriana
hanaraka anao eny foana aho fa andraso
Indro aho fa tojo anao hatsarana izay niriana
manafaka ahy amin'ny ratsy ao anaty aizina
sambatra aok'izany ny eo anilanao ry tiana
Tsy misy mahaory rehefa ianao no akakaisina
--------
Rohy:
