Afatra hoan'ny Ray Rehetra (Rabarison Roberto Stephan)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
1 - Hoan'ireo Ray Mamolava

Iny vera miakatra iny
Mety hisy tsiny
Moa ve mba fantatrao?
Ny tonkatrano tsy lalao

Ireo zaza toa farofy
Ny ao an-trano mandrifotsy
Ny zaza zara raha mitafy
Ny ao an-trano lasa miafy

Io toaka io foana ve?
Dia tsy maintsy sotroina ihany ve?
Fa raha mba aoka izay?
Sa marary vao ho fay

Tsy hoe mandatsa sanatria
Fa meteza mba hanarina
Tsy miantsara velantsihy
Fa mba manaova hoa ny marina

Dien'ny zao dia aoka izay
Tsy aleo ve havadika laoka milay
Dia ho fo faly sy ravo ny ao antokatrano ao
Hoe iny dada niova fo , iny dada vaovao

Rabarison Roberto Stephan ✍️
--------
Rohy:
122 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rabarison Roberto Stephan
Nampiditra : Roberto2001
Daty : 13/06/2024 10:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144