ORA IRAY (Rabarison Roberto Stephan)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ora Iray

Ilay ora vitsy
Nanala sento , nampitsiky
Ilay ora iray toa tsy nampoizina
Fa nahafaka ireo sento sy ny famoizana

Ora iray monja ihany
Dia nahafaka ireo alahelo sy tomany
Ora iray miraikitra ao an-tsaina
Namaha ireo fatorana sy ireo taraina

Ilay ora iray nantenaina
Ilay ora tsara nandrandraina
Ilay ora iray izay sarobidy
Ilay ora nampitempo izany fo,
Ilay fo kely izay efa tena nihidy

Niaretana ny hatsika fa...
Ny masaka tao an-tsaina dia...
Hanafana ilay fitiavantsika
K'anefa vetivety dia tonga ny maraina

Manantena ilay tantara mbola hitohy
Ary koa manantena ilay fo hifandroy
Dia anampy ora iray sy segondra vitsy
Anohizana faram-parany ilay tantara nisy

K'anefa mbola tsy ampy na dia ora folo
Fa ny tena tsara dia ny andro manontolo
Amizay voatety avokoa ireo lohasaha
Ary ho feno fitiavana ny andro fa aza manahy

Rabarison Roberto Stephan ✍️
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
132 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143