Alahelo (Rabarison Roberto Stephan)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ALAHELO

Alahelo foana no mba hiainany ankehitriny.
Satria lasa ilay olona iray mba tena tiany
Nandao azy ka tsy miheritreritra ny hiverina
Fa handroy aniny lalana iny tsisy nenina

Dia alahelo foana no hiainany isan'andro
Satria lasa ilay olon-tiany izay fitarik''andro
Nanadino ary koa namafa ny fisiany
Ka nanapitra sy nanafoana ireo mba faniriny

Nandoro ilay voady sy diary tao am-pony
Nitondra famohizana sy ireo lasa tsy tsarony
Nikorina tamin'ny tavany ny ranomaso-pisarahana
Satria foana avokoa ireo toky izay nifanarahana

Dia nanomboka teo izy dia hiaina fiainana irery
Hiaina fiainana tokana tsy misy nenina sy antery
Fa fiainana toy ny fiainany taloha tsy nisy anao
Ary niezaka nitraka sy nanantena fiainam-baovao

Na malahelo ary hono izy tsy maintsy mifaly
Na rotika ary hono ny fony dia fiainana izany
Na mangidy ary tsy natao ampiondrika intsony
Tsy maintsy mihezaka sy misaotra ny ao ambony

Rabarison Roberto Stephan ✍️
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana - Fitiavana
90 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139