ANDRO FARANY (Rabarison Roberto Stephan)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andro Farany


Eto ilay anjara farany eto an-tany
Dia eo ianao no hatsiaro ireo fotoana mamy
Ireo andro niarahana sy ilay fifanaovan-tsoa
Dia eo koa ny fiafaran'ny tantaran'olon-droa

Dia anomboka eo dia hianatra andeha irery
Satria lavo ilay andry niakinana dia manirery
Mahatsiaro ho singan'olona ety ambon'ny tany
Dia eo vao igoaka irery ny fiainana feno tomany

Fa izy efa lasa ka tsy hatsiaro anao intsony
Ary efa natory tsy nifoha sy nampangina ny fony
Lasa ka tsy manantena ny hiverina intsony
Ka hampirimo ireo lasany ary Mba havalomy

Ka hatanjao amizay ary ny saina
Dia aoka izay ilay fiferotan'aina
Dia etsy anie enao mba miheteza
Mba hatao hoe " MAHEREZA "

Rabarison Roberto Stephan ✍️
--------
Rohy:
71 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153