Hizory ny lalanao (Rabarison Roberto Stephan)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hizory ny lalanao

Raha toa ianao andeha
Dia aza miverina intsony
Izaho tsy very enie eh!
Fa aza manantena akory

Dia ny lalanao hizory
Ka aza miherika satia...
Izaho tsy hitia intsony
Veloma dia sova-dia

Tsy manozona aho
Fa mivavaka ho anao
Malehova malasana
Isaorana ireo vitanao

Na tsara na ratsy
Dia lalam-piainana izany
Izaho tsy mba pamaly faty
Ka veloma dia mandehana

Ary baiko fa tsy fiangavina
Hoe ny lalanao hizory
Mandehana dia aza varina
Fa ny antsika tsy hitoy intsony

Rabarison Roberto Stephan ✍️
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana - Fitiavana
106 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rabarison Roberto Stephan
Nampiditra : Roberto2001
Daty : 11/07/2024 06:46
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014