Fihavanana (Rabarison Roberto Stephan)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fihavanana

Firaisankina hoe no hery
Ataoko hoe diso ianao angamba
Ny fiainana ankehitriny efa an-tery
Fa tsy aiko ianao na hoe jamba ah!

Sa ve mody tsy mahita
ireo fiatsaram-belatsihy?
Satry ve ny havana maloto,
dia nahilika tsy misy mpitia

Aza ahilika ny havana
raha sendra mavomavo
Dia aoka tsy mba hanavakavaka
fa ampitsangano izy raha sendra lavo

Tsy misy manana ny ampy
Fa sambatra izay mifankatia
Dia aoka isika mba hifanampy
Amizay ilay fihavanana ipetraka ho doria


Rabarison Roberto Stephan ✍️
--------
Lien:
68 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141