Hafatra Hoan'ialahy (Rabarison Roberto Stephan)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hafatra Hoan'ialahy

Mahatsiaro marary lesy izy a!
Aza ampijalina be toy izao
Tena tia an'ialahy lesy izy a!
Fa miangavy mba hajao

Aza ampahorina lesy ny fony a!
Fa tolory fitiavana madio
Dia ilay fihetsika rehetra mampaory
Manomboka androany mba fadio

Tolory fitiavana izy, ataovy tena tsapany
Dia koloy tsara koa, hamafany ireo ratrany
Izy anie lesy toa an'ialahy ihany e!
Olombelona nofo sy rà, matsapa marary

Ny kozy tiako hatsipy dia zao...
Miangavy an-tanan-droa izy re mba hajao
Fa very elah raha tsy eo intsony izy
Ho very maina ny hezakany,
ny lalan'ialahy andeha amin'ny ts'izy

Ataoko hoe sambatra anie elah
Manana vehivavy tena tia
Fa ataoko hoe mba mazakà
Raha toa ka izy angala-dia
--------
Rohy:
Sokajy : Fananarana
212 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136