Lavitra anao (Rabarison Roberto Stephan)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lavitra anao

Ny foko toa malahelo
Isan'andro toa mitaraina
Fa indreo mamelovelo
Ilay fitiavana nozakaina

Malahelo satry tia
Lavitra anao toa nanjary nahy
Eo anilanao no hany fifaliko
Fa ny lavitra anao no fijaliko

Tiako ianao dia zay
Ilay fo roa itambatra ho iray
Tsy ho anenenana ireo lasa
Fa etsy ho tanterahana ,
ireo voady izay kinasa

Ho lamban'akoho ny atsika
Ka na tonga ny ririna tsy mba angatsika
Afanana foana no hozaraina
Dia ilay fitia tsy mora miofo no tantaraina

Fa izaho aloha aho malahelo
Fa tsy anilanao dia tena mitoreo
Miangavy , miavy malaky
Fa ilay alahelo aky tena efa tsy tanty

Rabarison Roberto Stephan ✍️
--------
Rohy:
59 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rabarison Roberto Stephan
Nampiditra : Roberto2001
Daty : 10/04/2024 05:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148