Lefy (Rabarison Roberto Stephan)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lefy

Nakaiza ilay fitiavana taloha?
Sa dila ve ? Sa niova koa?
Voatazona ve ilay toky sy dina?
Sa nisy ny elanelana dia lefy toa varina?

Ny fanotanina toa mipetraka
Ny vatana toa kivy sy mivalan-ketraka
Hoe fa nahoana kay? Sa ve ianao efa leo
Dia navelanao izaho angina irery sy mitoreo

Tsy nampoiziko hoe ianao kay telo miova
Tsy nitazona loko iray fa toy ny loko-poza
Azafady raha toa ka mively amin'ny teny
Fa tena efa tsy zaka sy mampi-teny irery

Rabarison Roberto Stephan ✍️
--------
Rohy:
65 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rabarison Roberto Stephan
Nampiditra : Roberto2001
Daty : 05/04/2024 09:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0834