Malahelo Anao (Rabarison Roberto Stephan)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Malahelo anao

Toa mangina irery, tsy misy mampitony
Toa mahatsiaro tena very, izay no mba tsaroany
Malahelo matetika, ary toa mitaraina
Hatramin'ny masoandro milentika, mampiferotr'aina

Malahelo anao aho malala, ka latsaka tomany
Toa mitady ho lasa adala, fa ianao lavitra any
Toa mangina irery, ary koa mba manantena
Fa ianao ahy irery, anatin'ny fitia tsy terena

Feno loatra ny alahelo, ka aleoko mivetso
Sady toa mieloelo, mandrabiraby sy maneso
Ianao tsy anilako eto no mahatonga ahy marary
Tsy anilanao aho toa misento sy mijalijaly

Tia anao aho, teny vokatrin'ny fo
Izay ilay teny nampikambana antsika roa
Nitoetra foana, eny hatramin'izao
Fa anio aho malahelo sy tena mila anao...


Rabarison Roberto Stephan ✍️
--------
Rohy:
92 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rabarison Roberto Stephan
Nampiditra : Roberto2001
Daty : 25/03/2024 04:18
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152