NANOFY AHO OMALY (Rabarison Roberto Stephan)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NANOFY AHO OMALY

Hoe, lasa tany sambatra hono Gasikara
Ny mpitondra lasa hendry , tsy misy ny misary adala
Ny fiainana mandroso, tsy misy fihafiana
Ny vahoaka malagasy vonton-kafaliana

Nanofy aho fa, foana hono ny krizy
Ka tafiditra an-tsekoly avokoa ireo ankizy
Ny ray aman-dreny lasa mahatsiaro maivamaivana,
lasa feno vola am- paosy foana hatreo ny fitarainana

Nanofy aho fa lasa milamina tsara ny tany
Tsy misy intsony ny mpangalatra, tsisy intsony ny tomany
Fa miaina ankalalahana, tsy misy intsony teritery
faly fo sy ravoravo,foana ireo mahatsiaro ho irery

Nanofy aho fa, foana ny adim-poko sy firenena
Ka mifandray tanana ireo antoko mpiady an-tsena.
Foana koa ireo ady nisy rà nandrika
Dia tany sambatra gasikara tanintsika,
ho tarafin’ny any ampita

Izay ilay nofy fa mety ho tanteraka ve?
Mba mangataka anareo mpitondra sy reo olobe
Mba ataovy tanteraka raha sitrakareo
Fa ny vahoaka re mahantra miangavy mitoreo.

Rabarison Roberto Stephan ✍️
--------
Rohy:
235 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rabarison Roberto Stephan
Nampiditra : Roberto2001
Daty : 24/10/2023 21:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014