Niverina (Rabarison Roberto Stephan)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Niverina

Toa niverina indray ankehitriny
Ireo lasantsika niarahana taloha
Dia ilay fahazazana tsy ananan-tsiny
Toa mitamberina ato an-doha

Noraisiko ny peniko. Dia anoratra indray
Ho ranketiko antsoratra ireo lasa hatrizay
Tena namana tsy foina raha ianao
Ka eny tsaroko foana na hatramin'izao

Nitohy ny finamanana...
Dia nandrary mafy ilay fihavanana
Dia niroso koa anefa ny dia
Dia niverina ny taloha
fon'isika vao nifankatia

Nosoparan'ny elanelana anefa izany
K'inandro ankehitriny dia niverina ihany
Dia nitohy indray ny tantara taloha
Nifoha ilay fitia efa saika hatory tsy hifoha
Dia hiraka amakivaky lalam-baovao
Ka fianana hafa indray no hiainana izao

Rabarison Roberto Stephan ✍️
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy - Fitiavana
425 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Rabarison Roberto Stephan
Inséré par : Roberto2001
Date : 03/03/2024 17:17
Lectures
Lu par ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.012