Ny Fiainako (Rabarison Roberto Stephan)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
« Ny Fiainako »

Eny hanio aho iteny, hanio aho ilaza
Hatrizay ahy tsy niteny, tsy niloa-bava
Fa nokoboniko foana tato anaty
Ireo alahelo sy adin-tsaina fa zao efa tsy tanty

Ekeko tena mafy ilay hoe miaina
Fa isan’andro izao ve dia adisaina
Tsy misy masoandro mihiratra mihitsy
Lasa maloka foana ilay endriko mitsiky

Niezaka ny ho mafy foana
Fa ny ady ity tsy mety vita mandava-taona
Niezaka niady , tsy nanaiky ho resy
Fa izao mandady , ny heriko mihalefy

Niady irery foana tsy nisy mpanohana
Ankehitriny mahare marary fa tafitohana
Tafitohana aho ka potraka amin’ny tany
Dia nahatrapa hoe ny fahoriana kay tsy lany

Hankehitriny niandrandra an’ny lanitra
Tsy mety kivy miady satry ao Andriamanitra
Mbola eo ianao ry tompo itantana ny diako
Ny alaheloko ho ariako fa enao no hifikirako

Dia foana hatreo ny alahelo sy ny tomany
Fa fiainana vaovao ny ahy manoboka androany
Tsy isento intsony koa aho ary hitsinjo ny ho avy
Satry ny tena kofoboay fa tsy hoe vehivavy

Ilay diam-peniko ✍️
Rabarison Roberto Stephan
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana - Aingam-panahy
268 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rabarison Roberto Stephan
Nampiditra : Roberto2001
Daty : 11/02/2024 08:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0212