Rava ilay fitia (Rabarison Roberto Stephan)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rava ilay fitia

Potika sy rava ilay fitia
Izay nantenaina amiratra , lalan-dava
Kay rodana satry, izaho na ianao
Samy nahay vava, nilokalo ny tsy hifandao
Kay toy ny kilalaon-jaza.

Izaho ve no diso sa ianao no manja loatra
Tsy aiko! izay no natonga ny fitiavako hitsoatra.
De tena ho rava ve sanatry, izaho mihitsy angamba no diso, matoa enao nanary dia.

Ianao niandrandra fitiavana taty amiko,
Eny ! Izaho koa niandry tany aminao..
Tsy aiko hoe tsaronao ve ilay dina hoe mandrakizay ny antsika sy anao..
Nefa ny fiainana toa tsy voatohantsika.
Izay natonga ilay masoandro niposaka, tampoka teo dia tsy hita

Dia tonga indray ny alina. Dia ho avy koa ny hatsika.
Ho dimbiasin'ireo nofy lalina, sy tsiaron'ny tantarantsika.
Tsy ho ela dia ho avy ny maraina anafona ireo alahelo.
Fa ireo fahatsiarovana sisa indray no toa amelovelo.

Rabarison Roberto Stephan ✍️
--------
Rohy:
85 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rabarison Roberto Stephan
Nampiditra : Roberto2001
Daty : 26/03/2024 11:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143