TSIKY (Rabarison Roberto Stephan)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSIKY


Io tsikiko io

Ilay tsikin'olona mafy
Ilay olona efa zatra miafy
Ilay tsikin'olona manam-panatenana
Ilay olona miandrandra fahazavana

Io tsikiko io

Tsy ho foana ety amin'ny tavako
Fa entiko hanafenako ny ratrako
Ilay tsikin'olona tsy manaiky ho resy
Fa olona manana herim-po, tsy mety lefy

Io tsikiko io

Ilay apinga hoentiko miady
Handravako ireo alahelo izay mianjady
Ilay tsiky!... tsy mba lany hamamina
Ilay hery mampifaly, raha sendra fahorina

Ka itsiky aho ,,, itsiky foana hatrany
Itsiky mandava-taona,,, itsiky tsy hitomany
Ka itsiky aho satria..! ilay tsiky no heriko
Dia itsiky foana aho , mba anasitrana ny feriko


Rabarison Roberto Stephan ✍️
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
77 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146