RANOMASO HO AN’I MAMA … - RAMANATANTARA
Azo vakiana?
RANOMASO HO AN’I MAMA …
"Matory tsy mifoha intsony"
"Lasana tsy miverina intsony"
Olombelona iza no tsy harary ?
Olombelona iza no tsy hitany ?
Ny tena nofo sy rà
No ‘njay migadona :
Maizina ny tontolo !
Ratra, ngidy, sedra,
Asa, misy mafy noho izany ?
Ranomaso tsy nisy :
Taolana maina avokoa !
***
Asa ny varatra raha mafy toy izany ?
Koa tankina hana tsy nahatomany !
Toy ny indray mipi-maso
Tsiaro ny teninao ry mama :
"Mahereza ianao fa zoky,
Ianao no soloko, mafy ianao !
Ampaherezo ny zandrinao".
Dia nihika aho hoe :
"Andriamanitra o ! Mamindra fo !
Andriamanitra o ! Vonjeo e !"
***
Toy anaty nofy aho
Nanao ireo adidy.
Ary fahagagana :
Niverina no aiko,
Nijoro aho kanefa
Latsa-dranomaso !
Koa mamelà
Iny ranomaso kely iny !
RAMANATANTARA, Antananarivo, 21/09/07
http://www.freewebs.com/ramanatantara
Hevitra mandeha
volana1 (13/03/2008 07:02:12)
Tena marina fa tsy mahatanty ny tena satria olombelona ary tena marary ilay maty reny, nefa zoky dia mila mijoro, mampahery antsika rehetra
Mombamomba
Mpanoratra : RAMANATANTARA
Nampiditra : ramatoabeDaty : 15/11/2007
Mpamangy : 2243
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
LAKANA NY AINATSY LAVITRA AHO, AKAIKINAO IHANY
RAMANATANTARA
FIAINANA
EKEKO SATRIA…
RAHA AZOKO NATAO...
MAMELA AHY VETIVETY,
AVELAO AHO HO ZAZA