EKEKO SATRIA… - RAMANATANTARA
Azo vakiana?
EKEKO SATRIA…
Ekeko satria
Ianao nahary,
Ianao nanome,
Ianao niaro,
Ianao no naka…
Niamboho anikeo,
Nody any aminao
I Neny…
***
Miverina aminao:
Ny asanay, ny momba anay,
Rehetra, rehetra !
***
Tsy misy anay :
Ny ainay, ny herinay,
Ny vatanay, ny zanakay,
Ny havanay, ny taninay…
Ny ray aman-dreninay,
Anao avokoa, avokoa…
***
Nomenao ary lasana
Ny reninay !
***
Dera ho Anao,
Mpahary ny Tontolo,
Tompon’ny Aina,
Tompon’ny Tompo,
Mpanjakan’ny Mpanjaka,
Andriamanitra lehibe,
Rain’i Jesoa Kristy
Tompo sy Mpamonjy.
***
Nody amin'ny FIADANANAO
Ny reny malalanay !
RAMANATANTARA, Mantes-La-Jolie, 15/09/07
Sokajy :
Fiderana
Mombamomba
Mpanoratra : RAMANATANTARA
Nampiditra : ramatoabeDaty : 14/11/2007
Mpamangy : 1411
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
LAKANA NY AINARANOMASO HO AN’I MAMA …
TSY LAVITRA AHO, AKAIKINAO IHANY
RAMANATANTARA
FIAINANA
RAHA AZOKO NATAO...
MAMELA AHY VETIVETY,
AVELAO AHO HO ZAZA