You are here: home > Vetso

RAHA AZOKO NATAO... - RAMANATANTARA

Azo vakiana?


RAHA AZOKO NATAO...

Raha azoko natao tsy niaina
Iny andro nalasanao iny
Andro hosoko natao tsy nisy
Ora nihato ka nihemotra
Dia ho nataoko kanefa, indrisy !

***

Satria mandroso ny fiainana :
Misy andro natao hiainana,
Misy andro natao halasanana,
Misy ora tsy maintsy hizorana.
Misy fotoana tsy azo difina.

***

Satria ny hary rehetra misy fetra,
"Tsy maintsy mandeha, hoy ianao,
Aza malahelo fa izaho anilanao"
- Dia tahotra ve no handresy ?
- Tsia, matory ianao fa tsy resy.
Mama, ato am-poko ianao,
Miaina ao aminay zanakao !
Koa matoria am-piadanana !

RAMANATANTARA, Massy, 07/11/07

Sokajy : Alahelo

Hevitra mandeha

Sandy2 (15/11/2007 11:23:01)

tsra be lesy an! fa taiza no nazahoanao inspiration be otran'io

ramatoabe (15/11/2007 20:03:46)

Namana vao namohy ny reniny izy e !