You are here: home > Vetso

"Ny Andriamanintsika" - Ramiadanarivo fetraniaina

Azo vakiana?

Eny ny Andriamanitsika  
Dia mitsinjo ireo zanany  
Izy mitoetra anantintsika
Ka mikolo ny fananany  
....  
Andriamanitra tsitoha  
Manampy hilanja izay tsy zaka  
Raha mitanondrika ny loha  
Vonona izy hampitraka  
....
Eny re ry namana  
Ilay Andriamanitra nahary  
Dia maninji-tanana  
Hahasoa ny zava-boaary  
....  
Fa sambatra aok'izany  
Izay mitoky Aminy  
Raha marary ka tomany  
Amin'ny heriny sitraniny  
....  
Izy ilay mahery anie ambony
Manan-kery,voninahitra
Izay manompo azy tony
Toy ny bozaka sy ny ahitra
....
Fa tsara loatra ianao ry Tompo
Ka mendrika isaoranay
Izay mijoro ho mpanompo
Ho anilanao mandrakizay
....
30/12/15
08h31

Hametraka hevitra

Midira aloha