Ilay mpampahantra, (RAMY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mangina ialahy, mangina ry 'lay mahantra ity !
Tsy hisy masoandro ho an'ialahy akory aty.
Ny anjaran'ialahy ? Atao toy ny akoho ;
Ka 'zay kely azo, dia andrandrao ny loha !

Angaha ialahy mihevitra fa hahita fahasambarana
Amy ireto kobaka natao hoe "hitambarana" ?
Tsy an'ialahy ireny fa adinoy tanteraka !
Ny anjaran'ialahy "miasa mba ho reraka".

Aza mitaraina ka hiantso hoe tsy sitraka,
Na hanabantibanty hanao hoe mpamitaka.
Ialahy no te hahantra, nanaiky ho fehezina,
Atao toy ny omby, vao mihato dia velezina.

Avy aiza moa ny harena ? Moa tsy an'ialahy ?
No eo ialahy minaona, mandreraka fanahy ?
Ialahy no tena tompony, fa bado tsy hay anarina.
Mety ho an'ialahy ? Resy tsy ho tafarina.

Mangina ialahy, mangina ry 'lay mahantra ity !
Tsy hisy masoandro ho an'ialahy akory aty.
Ny anjaran'ialahy dia atao toy ny akoho !
Tsipazam-potsim-bary : mifandrombaka avokoa !

09/06/2020
--------
Rohy:
396 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RAMY
Nampiditra : h_andriamoratsiresy
Daty : 11/03/2022 09:49
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107