Jambena (RAMY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny lohako ve no fanin-tsigara,
Sa ny masoko mihitsy no efa jambena ?
Tsapako fa efa hovery tantara
Sy hifolaka ny andrin'ity firenena.

Rahoviana vao hotaitra ireo manant-tsaina
Hanitsy ny lesoka efa niharetana ?
Ny an'iza no mbola hiriana ampitaina
Hatao amboletra, tsy maintsy hamoretana ?

Ireo zanatsika lasa niampita
Nandrato fahaizana tsisy eto an-toerana
Nankaiza izy ireo ? Toa any dia tsy hita ?
Mihary ny andron'ilay fahanterana.

Ny haren-dehibe nomen'ny Mpahary,
Tsy nisy nihanoka izay fahasoavany.
Ireo tera-tany efa maty mosary,
Zara raha misy harapak'am-bavany.

Jereo ireo mpiavy miadam-pinaritra,
Isika voakenda, teren'ny lalàna.
Fatorana mafy tsy maintsy miharitra
Ny onja maherin'ity fahantrana.

Aiza ary isika ? Toa samy variana !
Tsy misy miraika, tsy misy mijoro.
Ireo lokaloka natao fanjariana,
Zary nandratra ireo fo torotoro.

Ny masoko ve no efa jambena ?
Sa ny saiko no efa mihoron-koadala ?
Ireo naman-tinendrin'ity firenena,
Manao rapa-dango, … Voky dia miala.

17/06/2020
--------
Rohy:
622 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RAMY
Nampiditra : h_andriamoratsiresy
Daty : 11/03/2022 14:02
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0289