You are here: home > Vetso

Vahiny an-tanin-drazana - RAMY

Azo vakiana?

Vahiny ve ny tenantsika
Sa mety efa tompon-tany ?
Nahoana no ovaina dika
Irony lova tena mamy ?

Ny tantarany nafenina;
Misy aza te hanova.
Dia tsy fantatrao ho nenina
Raha ovaina koa ny Rova ?

Asa aloha izay tena tanjona
Ao ambadika tsy hita.
Fa ny hany mahatalanjona !
Dia voarava ny efa vita.

Ireo nambara fa vahiny
Nampanjaka ny tantarany,
Eny, hita ankehitriny ;
Tsy voafafanao ny anarany.

Fa iza moa izato isika ?
Toa tsy misy mahafantatra ?
Nefa sahy mibikabika
Amin-java-bao hanantatra.

Irony lasatsika anefa
Vitsy no mba nahatahiry.
Ka ny randrana tsy hefa,
Hatsatoka hiziriziry.

Tompon-tany ve isika
Sa efa lasa mpivahiny ?
Nahoana no voaova dika
Ireo tantara ankehitriny ?

10/06/2020

Mombamomba

Mpanoratra : RAMY

Nampiditra : h_andriamoratsiresy
Daty : 11/03/2022
Mpamangy : 138
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Jambena
Satriko,
Ilay mpampahantra,
Mbola azonao
Mpamitaka !
Tranobongo