Tranobongo (RAMY)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tranobongo

Ity tranobongo ity ?
Na kely sady kotona aza no nandrafetana azy,
Dia telina sy fy
Ny androm-pianana ao fa tsy mba vazivazy.

Ny ravaka ao anatiny !
Tsy temitra voasoratra miloko tsara rindra.
Nefa tsy mba vatrany
Ny tosi-bohontanana hanery anao hifindra.

Ny alim-piainana ao ?
Toa lavitry ny saina izay hampitebiteby.
Fa tena ho tsapanao
Ny herim-pitoniana tsy hahita rebireby.

Na andro maloka aza !
Tsy fantatrao akory raha ao ianao no onina.
Fa torimason-jaza
Nahazo rotsirotsy tsy vatra ho rahonina.

Ity tranobongo ity ?
Azo atao fonenana ho anao mandavan-taona ;
Fa fo vontom-pitia
Tsy manam-pahavalo, tsy hakoron'ny foatoana.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
502 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RAMY
Nampiditra : h_andriamoratsiresy
Daty : 08/09/2021 08:49
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152