Mpamitaka ! - RAMY
Azo vakiana?
Soa fa nisy loza ve,
Nahafahana niteny fa ianao no andrim-piainany ?
Ka ny sofiny handre,
Ilay teny mamy tsara rindra hampitony ny tarainany ?
Soa fa nisy koa ny ratsy,
Hampironga-pisehoana ao anaty fahoriany ?
Dia mody omena aloha ny vatsy,
Amin'izay angamba heverina fa resinao ny fijaliany ?
Ô ! Ry fitaka mavàny !
Izato herisetranao e ! Efa tena tafahoatra !
Tsy satry ve ho fafany
Irony andom-pahantrana nahageja mafy loatra ?
Raha hitsimbadika ny rasa,
Ka ianao moa no ho eo amin'ny toerana nitoerany !
Efa fantatro ny latsa
Hivangongo aminao, fa tsy hanam-pahataperany !
21/01/2022
Mombamomba
Mpanoratra : RAMY
Nampiditra : h_andriamoratsiresyDaty : 11/03/2022
Mpamangy : 132
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Vahiny an-tanin-drazanaJambena
Satriko,
Ilay mpampahantra,
Mbola azonao
Tranobongo