Rehefa eo ianao (Randja)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa eo ianao dia feno haravoana ny fiainako
mahatsiaro fa hoe lafatra, mahatsapa fa hoe sambatra
miravona ireo olana, mitombina ny fisainako
noho izaho sy ianao miray sy mitambatra

Rehefa eo ianao dia toa very dia aho
hafaka fanginana, manana namana hiresahana
hizarana ny hafaliana, hampitony ny ranomaso mitalaho
manana tokoa, manana anao mandray an-tanana

Rehefa eo ianao dia toa tsy misy fanahiana
amin'izay rehetra atao sy izay mbola kinasa
eo ianao hanome hery, andry hitokiana
hanomana ny ho avy, hamafa ny lasa

Rehefa eo ianao dia toa tony ny fo amam-panahy
eo ianao hiaro, hisimbina ny dia
foana ny tebiteby, misinda ny ahiahy
henika anao aho, dia toa feno fitia
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana - Fitiavana
140 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Randja
Nampiditra : voady
Daty : 14/02/2026 03:18
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0172