MISY ANDRO … (RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MISY ANDRO …

Misy andro malomaloka
Tsy mba miandry ny andro ho hariva
Ka tsy ahafahana mianoka
‘Reo hakantom-peon’antsiva

Misy andro feno zavona
Manembantsembam-pahitana
Tsy hamaha olana, tsy handravona
Fa manakona hazavana

Misy andro mba mihiratra
Fa tsy maharitra ela akory
Na mihamiposaka aza mihisatra
Ka mampitombo sorisory

Misy andro maizi-kitroka
Ka tena tsy hita izay aleha
Tsy ahafaha-mandroso fa mampihitsoka
Anaty loza sy haizim-be

……………….

Misy andro mamanala
Ahatsiarovana ho irery
Hiheveran-tena ho tsy ao am-bala
Fa lavi-tiana ka toa very

Misy andro karakaina
Hafanana mivaivay
Mamotika sy manamaina
‘Zay mba voaorina hatrizay

Misy andro hafahafa
Hita tony fa mandrivotra
Ka atahorana hamafa
Ny kely ananana eo am-bivotra

Misy andro tsy mahataitra
Fa tampotampoka eo mamorona
Tadio be mahery vaika
Manimba sy manozongozona

……………….

Misy andro mody fanina
Manerikerika tsy tapaka
Ka mety hahahotsaka sy hamarina
Anaty hantsana sy lavaka

Misy andro tena miangatra
Tandrifin-draho-mizara vilana
Ny iray omeny hery hiakatra
Fa misy avelany eo ho ringana

Misy andro mampatahotra
Fa oram-be arahim-baratra
Manondra-drano toa hanafotra
Ary atahorana tsy hitsahatra

Misy andro manavandra
Mamotika miharihary
Mampanontany, mampiandrandra
Raha miantra ihany ilay Nahary?

……………………

Fa misy andro mafinaritra
Mba mitondra fitsikiana
Fa misy avana eny an-danitra
Ka mampitsimoka hafaliana

Misy andro tena tony
Arahi-tsio-drivotra malefaka
Ka mampisinda lonilony
Sy mampihena ny mavesatra

Misy andro mibaliaka
Feno hazavana sy hafanana
Ka manala ny hatsiaka
Sy manome fanantenana

Misy andro mahatalanjona
Mazava mena vodilanitra
Toa mampahery hahatratra tanjona
Mampatsiaro an’Andriamanitra

Misy andro koa mahagaga
Alim-be fa diavolana
Na ny haizina aza mihamazava
‘Zay sakana hahitam-bahaolana

……………..

Dia satry foana ho andro tsara
Tiana foana hisy hazavana
Ny hafanan-tsy tian-ko tara
Ka hikoran-dava ao an-tanàna

Saingy mbola tsisy izany
Fa tsy maintsy mifandimby
Ny andro rehetra eto an-tany
Fa izay no drafitra sy didy

……………….

Fa any am-parany any ny andro
Hanjary ho fiana-tonga lafatra
Tsy ilaina akory ny masoandro
Fa hisy Hazavana tena hahasambatra

Tsy hisy andro hazava mihoatr’izany
Hamirapiratra ho doria
‘Zay hanafoana ny tomany
Sy ireo fahoriana ety.

J.J. Randrianarimanana (27/03/14 22h30)
--------
Rohy:
619 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques
Nampiditra : J.Jacques
Daty : 07/04/2020 20:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098