MANDRA-PAHOVIANA (RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques )

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mandra-pahoviana.

Mandra-pahoviana no hanaiky ny saina,
Ka tsy ho afa-mihevitra izay tena marina?
Tsy afa-mandinika fa nogejaina,
Hanaiky ireo lainga izay mora fantarina.

Mandra-pahoviana no ho gadra ity nofo?
Milanja ny heloka izay tsy natao,
Sy tsy afa-mifoka ny rivo-mifofo,
Fa voageja mafy tsy hanao izao sy izao.

Mandra-pahoviana no hanakombom-bava,
Raha vavolombelon'ny tsy rariny mihatra?
Ka tsy hiteny, tsy hamaly ary tsy hanazava;
Tsy mba misento, tsy mando-tratra!

Mandra-pahoviana no ho very fanahy?
Ka mahatsiaro ihany fa misy Andriamanitra
Fa be hakiviana ka indro manahy
Tsy matoky intsony ny herin'ny Lanitra.

Mandra-pahoviana no hisedra ny ankaso;
Ka tsy hifoha, tsy hitroatra, tsy hanohitr'izany?
Mandra-pahoviana no "andraso andraso",
No asetry ny antson'ireo mitomany?

Mandra-pahoviana...
(JJRandria. 19/01/21 1ora at.)
--------
Rohy:
611 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques
Nampiditra : J.Jacques
Daty : 20/01/2021 12:33
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0126