MOLOLO (RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MOLOLO

Tantara iray avy ao ambanivolo
No indro atolotro anao androany;
Izarazarako ny resa-"mololo"
Amin'ny endriny maro izay misy eto an-tany.

Misy tanàna malaza iray izay,
Fa mahay mpitondra sy lali-bahoaka;
Fa rehefa zohiana dia mampikaikay,
Hay tsy tena basy fa tsipoapoaka.

Fa mba iza tokoa ireo vahoaka mololo?
Indray miredaka dia mora maty;
Mora fetsena, mitoky bontolo:
Amin'ny vaovao rehetra na avy etsy na avy atsy.

Fa inoana avokoa 'reo 'zay hita sy re,
Izay zava-miseho sy malaza rehetra,
Na ady an-trano na an-dalam-be
Dia lazaina ho mitombina tsy misy fetra.

Mora arehitr'ireo mpanambaka,
Mora ambakain-dry zareo mody miady;
Mora ampiadin'ireo tompon'ny laka,
Tsy mba misaina na manadihady.

Dia mikohaka koa 'reo mionda-mololo,
Satria zaza tamàna niondana sandry;
Tsy nahay nanava-balala sy lolo,
Mora voajono fa valala mandry.

Dia mbola mololo ny fitadidiana,
Androany mirehitra miredareda;
Fa rahampitso tsy hahatsiaro ireo fahoriana
Izay nampitondrain-dry zareo be tenda.

Ny mpitondra taitaitra, manao toratorana,
Fa tia mody miady, manao sarimihetsika;
Ny vahoaka mololo ka dia mora dorana,
Tsy mahalala, bado, ka voatetitetika.

'Reo lazaina ho mpanohitra koa dia mololo,
Tsy hita be ihany, tsy hay hoe ahoana!
Nantenain-ko hendry koa ireo fotsy volo,
Hay toa mitady seza na mandroso taona!

Hoy i zoky Lefona raha nanazava:
"Mifanatsikera, mifanandram-peo"
Mifanakiana sy miady lava,
Fa "soloina ny eo: ny eo ihany no eo".

Ny hiran'ny Rebika no amaranana azy:
"Tsy olo-kitondra, tsy vahoaka entina"
Manao ny fiainana ho vazivazy,
Ka "samy domelina anaty tonelina".

'Zay milaza abobo dia raibe-mololo!
'Zay mino azy no reni-mololo!
'Zay manaonao foana no zana-mololo!
'Zay manohy izany no zafi-mololo!

25/07/2020
--------
Rohy:
672 0
Hevitra mandeha
hery ( 28/07/2020 17:03)
ity ve ilay misy feony moa?
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques
Nampiditra : J.Jacques
Daty : 26/07/2020 14:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145