SAKODIAVATRA - RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques
Azo vakiana?
Tsy hanao fitarainana
Fa mba sanganehana
Mandinika ny fiainana
Anatin'ny famehana.
Fa mba mahalasa saina
ireo vola sy ireo entana;
Voalaza fa hampiasaina
hiadiana izato aretina.
Ny haino aman-jery
mizara tarehimarika;
Mitaona sy manery
handray izay toromarika:
Kanefa lamba kely,
maloto, ratsy zaitra
No ezahana ahely
hoe fiaro tsara handaitra.
Voasazy hatrany am-ponja,
izany no malaza...
Raha manadino monja
ilay sarom-bava.
Mamely ny hanohanana,
betsaka no kivy
Fa tsisy ny eo an-tanana:
mba mafy sy mangidy!
Tsy homby ny hopitaly
Tsy ampy hoe ny fitaovana?
Mitombo ny marary,
mihamaro ny fandaozana.
Dia misy maty atsy,
Misy maty aroa
Be no lany vatsy,
be no tena voa...
Ny hany azoko lazaina:
mitandrema ihany
Fa tokana ny aina,
an'ady izao ny tany!
02/07/20
Mombamomba
Mpanoratra : RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques

Nampiditra : J.Jacques
Daty : 26/07/2020
Mpamangy : 382
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
MANDRA-PAHOVIANAMOLOLO
VALISOA
JESOA HAZAVANA
MISY ANDRO …
ILAY ANDRO MALAZA
NY AINA
RAZANDRY!
HAVAOZIKO
NY FITIAVANTSIKA