Varavarana fidirana - Randja Zanamihoatra
Ô mpamaky,
Saina izao ny tany
Ny tany anefa hira
Maneho ny hadalany
Nataony mba ho sira
Fa tany zao ny Saina
Ny Saina anefa hery
Manosika ny miaina
Hanody izato fery
Fotoana iray, tanteraka
Dimbiasam-baovao
Ary Indro indray ateraka
Izao tontolo izao
Mombamomba
Mpanoratra : Randja Zanamihoatra

Nampiditra : ikalamako
Daty : 18/06/2020
Mpamangy : 1217
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Hidy foloAry nihira aho
Mahatsiaro va ianao ?
Fifandraisana
Taratasy sy laoka
POETA
POETA SY NY HATSARANTAREHINY
Malagasy Mankany
Ireny Kintana
Eny, Alina