zatranao - Rary
Azo vakiana?
lasa fahazaroko sahady
ny mijery anao
rehefa iny izaho,
eto am-baravarakely
toa tsy andriko
mihitsy aza,
ny handalovanao
amin'ito lalan-kely
eto an-tokotany
fa ilay tsikinao nandravaka,
soa toa valim-bavaka
ny vonikazo kanto
tery an-jaridaina
ka nampientana ny foko
hany ka, zary ho isan-tsegondra
ny masoko mitazana
eto ambaravarana
mba hangarangarana
mody tsy miseho
kanefa maika ahita
ilay endrika sariaka
nofisiko isan-kalina
k'aiza re ianao?
Sokajy :
Fitiavana
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Rary
Nampiditra : RarynofyDaty : 19/09/2018
Mpamangy : 493
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
tiko ianaohoanao
nahoana?
meloka
kolikoly
aza!
tsy sahy
aiza
tia
azoko faritana ianao ry k