AMPAHATSIAHIVO AHY (RASOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha toa aho manadino
Ny fifanekena izay natao
Nandeha nitsaoka fa efa lao
Dia ampatsiahivo ahy
Ny lokaloka nifanaovana
Tamin'ny mbola tsy ampy ny fitaovana
Ary ireo zaza izay nirina
Dia ho foiko ve hidifina

Raha toa aho manadino
Ny fiarahantsika miangona
Fa salama sy bolangina
Dia.ampahatsiahivo ahy
Fa tsy manana hery aho mihoampampana
Fa nisy Hery no mitantana
Nahazoako ireo olon-tiako
Sy izay fiainana iriko

Raha toa aho manadino
Ny finamanana fahiny
Fa lasan-davitra.vahiny
Dia ampahatsiahivo ahy
Ny kakakaka sy korana
Fiarahana mafana
Fifanohanana tamin'ny mafy
Samy miharitra, nihafy

Raha toa aho manadino
Ny toerana nivoahako
Ka ny fifandraisana tapahiko
Dia hampatsiahivo ahy
Fa labozia no nitsilo lalàna
Valala iray no nifanapahana
Tanaty hirifiry mangatsiaka
No niara-nipoirantsika

Raha toa aho manadino
Ny tany izay niaviko
Fa hoe misy zavatra tsy tiako
Dia ampahatsiahivo ahy
Ny andraikitra lehibe
Izay nitsoahako nandeha
Ka na inona na inona mitranga
Tsy afa-bela aho fa voapanga

Raha toa aho manadino
Sy mbola manontany
Ny antony fisiako eto an-tany
Dia ampahatsiahivo ahy
Fa ny olona tsirairay
Dia tokony hifandray
Hifanampy sy hifampizara
Hanatsarana ny ao afara

RASOA
JANOARY 2018
--------
Rohy:
277 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : RASOA16
Daty : 17/04/2022 18:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142