SOKAFY NY FO (RASOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andao sokafana ny fo
@ olona tsy fantatra
Fa tsy hoe hihidy loha
Ka hitompo teny fatratra
Aoka tsy hihevi- tena irery
Hoe mitana ny marina
Andao hiezaka hijery
Ny an' ny hafa koa takarina

Ny hevitrin' ny maro
Mahataka-davitra
Ka avelao hifangaro
Handresentsika izay sarotra
Ario ny eritreritra
Hoe tsy mitovy sata
Fa ho tratra izato fenitra
Raha mihaino koa ny hafa

Ny hataonao ekena
Tsy misy diso na hoe pentina
Fa ny hafa aza fefena
Misy zava-baovao entiny
Ny olona misokatra
Sy tsy mandehana irery
No mahità vokatra
Satria tsy teritery

RASOA
FEBROARY 2013
--------
Rohy:
302 1
Mpakafy: rina15
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : rarakivy
Daty : 24/04/2025 17:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.088