Ampidiro aloha ny tenimiafina
FITAHINA (RASOA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ny lasa no hitodianaKa ny lalàna refesina
Dia mahatsiaro fitahiana
Izay no tsapako, azo raisina
Nanomboka t@ labozia
Ary ny laoka tsy misy hena
Ankehitriny feno ny lovia
Ny hazavana manjambena
Ny kilalao biriky
Tsy misy akory ny kodiarana
Ankehitriny ny ankizy
Mba mitovitovy @ ireo namany
Efitrano kelikely
Maimbo boana toa tsy zaka
Ankehitriny aho raha mijery
Toa mipetraka @ lapa
Marobe no naniry
Hiteraka sy hanan- janaka
Izaho Niangarany foana
Tsy hitaraina hoe vanaka
Raha resaka fitia
Notolorany aho raha nitady
Ankehitriny mbola fÿ
Mifaly aho fa nahazo azy
Firifiry no mitolefika
Nanantena ny andro anio
Isika mbola afa mihetsika
Miasa sy miriorio
"Kisendrasendra" hoy ianao
"Vintana" hoy ny mpilalao
Ho antsika izay mino
"Fitahiana" no nitsilo
RASOA
DESAMBRA 2012
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy
